Le Symbole d’Athanase en langue malgache Fanekem-pinoana atanaziana
Le Symbole d’Athanase en langue malgache Fanekem-pinoana atanaziana
Na iza na iza te ho voavonjy, voalohany indrindra, dia tokony hitana ny finoana ekena manerana izao tontolo izao: raha tsy mitana azy manontolo sy tanteraka izy, dia ho very mandrakizay tsy misy fisalasalana.
Izao ny finoana ekena manerana izao tontolo izao: mitsaoka an’ Andriamanitra iray ao amin’ ny Trinite sy ny Trinite ao amin’ ny Mahiray, sady tsy mampifangaro ny Persôna na mizara ny sobstansa: hafa ny Persônan’ ny Ray, hafa ny an’ ny Zanaka ary hafa ny an’ ny Fanahy Masina; nefa tokana ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, mitovy ny voninahiny ary miara-maharitra mandrakizay ny fahandrianany.
Toy ny Ray ny Zanaka sy ny Fanahy Masina: tsy noforonina ny Ray, tsy noforonina ny Zanaka, tsy noforonina ny Fanahy Masina; tsy manam-petra ny Ray, tsy manam-petra ny Zanaka, tsy manam-petra ny Fanahy Masina; mandrakizay ny Ray, mandrakizay ny Zanaka, mandrakizay ny Fanahy Masina; nefa, tsy mandrakizay telo fa mandrakizay iray; sahala amin’ ny tsy maha tsy noforonina telo, na tsy manam-petra telo izy ireo, fa iray ny tsy noforonina ary iray ny tsy manam-petra.
Toy izany koa, tsitoha ny Ray, tsitoha ny Zanaka, tsitoha ny Fanahy Masina; nefa tsy Tsitoha telo fa Tsitoha iray. Noho izany dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka ary Andriamanitra ny Fanahy Masina; nefa tsy Andriamanitra telo fa Andriamanitra iray. Noho izany dia Tompo ny Ray, Tompo ny Zanaka ary Tompo ny Fanahy Masina; nefa tsy Tompo telo fa Tompo iray; satria sahala amin’ ny fahamarinana kristiana izay manery antsika hiaiky fa ny Persôna tsirairay avy dia Andriamanitra sy Tompo, dia toy izany koa ny fivavahana ekena manerana izao tontolo izao dia mandrara antsika tsy hiteny fa misy Andriamanitra telo na Tompo telo.
Tsy nisy nanao ny Ray no tsy noforonina sady tsy nateraka; avy amin’ny Ray ihany ny Zanaka, tsy natao sy tsy noforonina izy fa nateraka; avy amin’ ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina, tsy natao sady tsy noforonina sy tsy nateraka izy, fa nivoaka avy aminy. Tsy misy afa-tsy Ray iray fa tsy Ray telo; Zanaka iray fa tsy Zanaka telo; Fanahy Masina iray fa tsy Fanahy Masina telo. Ary ao amin’ io Trinite io dia tsy misy taloha sy taoriana, na lehibe kokoa na kely kokoa, fa ireo Persôna telo ireo dia miara-maharitra mandrakizay sady samy mitovy. Noho izany raha fintinina, araka ny voalaza ery aloha, dia tokony hitsaohana na ny Mahiray ao amin’ ny Trinite, na ny Trinite ao amin’ ny Mahiray. Izay te ho voavonjy dia tokony hino izany momba ny Trinite izany.
Ilaina amin’ ny famonjena mandrakizay ny mino amim-pahatokiana koa anefa ny fahatongavan’ ny Tompontsika Jesoa Kristy ho nofo. Finoana mahitsy ny mino sy miaiky fa Andriamanitra sy olombelona ny Tompontsika Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra. Andriamanitra izy, avy amin’ ny sobstansan’ ny Ray, nateraka talohan’ ny taonjato rehetra, sady olombelona izy nateraky ny sobstansan-dreniny, tao amin’ ny fotoana; Andriamanitra tanteraka, olombelona tanteraka misy fanahy-aina misaina sy nofon’ olombelona, mitovy amin’ ny Ray araka ny maha Andriamanitra azy. Na dia Andriamanitra sy olombelona aza izy dia tsy misy Kristy roa fa Kristy iray; iray, tsy noho ny niovan’ ny maha Andriamanitra azy ho nofo, fa satria noraisin’ Andriamanitra ny maha olombelona azy; iray tanteraka, tsy noho ny fifangaroana sobstansa, fa noho ny maha iray ny Persôna.
Satria, sahala amin’ ny fanahy-aina mahay misaina sy ny vatana no mikambana ho olombelona, dia toy izany koa Andriamanitra sy olombelona dia mikambana ho Kristy. Izay nijaly hamonjena antsika, nidina tany amin’ ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’ ny Ray izy, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty. Amin’ ny fiaviany dia hitsangan-ko velona miaraka amin’ ny vatany avy ny olombelona rehetra ka hampamoahina amin’ ny asa nataony avy: ireo izay nanao ny tsara hankany amin’ ny fiainana mandrakizay, ireo izay nanao ratsy any amin’ ny afo mandrakizay.
Izany no finoana ekena manerana izao tontolo izao: raha misy tsy mino izany amim-pahatokiana sy marina, dia tsy ho voavonjy.