Ce document contient le Symbole de Nicée-Constantinople (325-381) en langue malgache parlée à Madagascar.

1 pages.

Le Symbole de Nicée en langue malgache Fanekem-pinoan’ i Nikea

Isika mino an’ Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita. Ary an’ i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan’ Andriamanitra nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetra izao, ny Mazava avy amin’ ny Mazava. Andriamanitra tokoa avy amin’ Andriamanitra nateraka fa tsy natao, miray amin’ ny Ray amin’ ny zavatra rehetra. Izy no nahariana izao tontolo izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon’ ny Fanahy Masina nofo avy tamin’ i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy. Nohomboana tamin’ ny hazofijaliana ho fanavotana antsika, tamin’ ny nanapahan’ i Pontio Pilato Izy; nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka ao an-tànana ankavanan’ ny Ray; avy any no hiaviany indray amin’ ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny Fanjakany. Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina. Izay avy amin’ ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izy dia niteny tamin’ ny vavan’ ny mpaminany. Isika mino ny Fiangonana Iray masina, miorina amin’ ny fanambaran’ ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao. Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsangan’ ny maty ary nyy fiainana mandrakizay. Amena.